AFO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AFO





Afo nandoro ny lamba
izy iny ka ankahalaiko
sy tsy nihambahamba
ho tsy azo antenaiko.




Biby nanimba ny voly
ka aleo ihatakatahana
fa dia miompy devoly
sy tsy tia fivavahana.




Rano nandrava ny efa
ka tsy zakako intsony ;
misento ny ora rehefa
miverina 'reo lonilony.




Tany namela ny fery
ka itsoahako marina ;
maro 'reo zava-bery
lasany fa tsy itarina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
798 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012