AHOANA NO FAFANA ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHOANA NO FAFANA ?




Ahoana no fafana
ny nisy tany aloha
na, sanatria, rarana
tsy hipoitra avokoa ?



Ahoana no fafana
ny tantara marina
tsy hay eto ialana
isaky ny miarina ?



Ahoana no fafana
ny fitiavantsika roa
raha te hidanadana
ny hetaheta mifoha ?



Ahoana no fafana
ireo mamy sarobidy
mivoy fanantenana
mbola mba safidy ?



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/04/2025 20:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0159