AHOANA NO NIERITRERETANA ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHOANA NO NIETRERETANA ?





Ahoana no nieritreretana
disadisa nisoko toy ireny
ka nitarika fandrehetana
hatezerana teo lavareny ?




Ahoana no nieritreretana
tabataba tsy afa-nijanona
fa natao re handrafetana
tontolo tsy hahavanona ?




Ahoana no nieritreretana
adiady tsy nety nitsahatra
ka na itony fahafinaretana
tsy noheveriko hamahatra ?




Ahoana no nieritreretana
mpamosavy malemy nitia
hasisika anaty firaketana
ny anarany izay nampahia ?





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
5 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/07/2026 21:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118