AKAIKINAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKAIKINAOAkaikinao,
akaiky ny foko
ka anjakao
ho lavi-toloko.
Akaikinao,
akaiky ny tiana
ka ivavaho
ho be fitahiana.
Akaikinao,
akaiky ny nofy
ka hazavao
mba tsy ho rofy.
Akaikinao,
akaiky ny tsiky,
feno lalao
fa tsy dikidiky.
Fedy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fitiavana - Fitiavana - Fiononana - Fiononana - Fiononana - Fiaraha-monina - Fiaraha-monina - Fiaraha-monina - fiainana