AKOHO MANENO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKOHO MANEN0





Akoho maneno
no mamoha maraina
eto foana heno
ka aza mba malaina.




Akoho maneno
no miantso hiomana
fa mbola feno
izay asa ivelomana.




Akoho maneno
no manaitra ombieny
ka mba teneno
fa efa renay lavareny.




Akoho maneno
no mitarika hafaliana
ka indro, areno
ny nofinofy, faniriana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
36 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 07/10/2026 05:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0137