ALEO HIRARAKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEO HIRARAKA




Aleo hiraraka
ny ranomasoko anio
fa mbola manaraka
ny lasa fa tsy siosio.



Aleo hitosaka
ny sento izay tsy tana
fa tsaroana miposaka
ilay ratra mafampana.



Aleo hilatsaka
ny sedra tany ho any
fa mbola mikatsaka
alahelo maro ihany.



Aleo hiverina
ny kalo mampahory
fa tsy mba naterina
ny tiana hampatory.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
46 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/04/2025 08:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0153