ALOKA (Fredy Jaofera)
Nantsain'i ikalamako
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALOKAMiverina amin'ny nofy
ny aloky ny lasa
ka indraindray ny rofy
no tonga miasa.
Manaintaina ombieny
ny aloky ny lasa
ka aleoko tsy miteny
fa ny fo voarasa.
Miaro fahatsiarovana
ny aloky ny lasa
zary mahatorovana,
tsy misasasasa.
Tsy mampandry saina
ny aloky ny lasa,
na tsy hay tantaraina
sy mbola mikasa...
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana - fanantenana - ahy - Fahatsiarovana - fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaAntsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Audio Player