AM-BOLONY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AM-BOLONY





Nihinana am-bolony
izy iny raha sahirana,
ny vinavina natolony
dia aleo andosirana.




Nihinana am-bolony
ka very hevitra ange,
tsy hainy 'reo tolony
ka tapi-dalan-kaleha.




Nihinana am-bolony
ka dia trotraka izao,
maina io ny molony
fa ny soa re nandao.




Nihinana am-bolony
ka menatra marina,
jereo moa ny volony
fa sarotra anarina !





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
322 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/03/2023 17:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113