AMIN'NY FAHATSIAROVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY FAHATSIAROVANA




Amin'ny fahatsiarovana
no ahitako anao indray,
na nanjary fahalovana
ny tantara nampiray.



Amin'ny fahatsiarovana
no mahamirana ny tava
fa ny zava-nandalovana,
nisy mamy lalandava.



Amin'ny fahatsiarovana
no mamelona ny isika
fa misy soa narovana
mbola tsy afa-mipika.



Amin'ny fahatsiarovana
no ipoiran'ilay fitiavana
tsy mba nahatorovana
vao nisy fankatoavana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
773 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116