AMIN'NY FOMBA AHOANA ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY FOMBA AHOANA ?




Amin'ny fomba ahoana
no hahitako anao indray
fa toy ireny voamboana
iny fitia mba nampiray ?



Amin'ny fomba ahoana,
hamerenam-piadanana
noterena ery ho moana
ka nanimba fihavanana ?



Amin'ny fomba ahoana
no hamoha ny toky lasa
teny hatrany nanoloana
nifonofono ireo kinasa ?



Amin'ny fomba ahoana
no hampihiratra ny ora
nampahory teny foana
tsy ho vazo higoragora ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122