AMIN'NY KRISMASY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY KRISMASY





Amin'ny krismasy
dia ianao ombieny
no tiako hananana
tsy hangasihasy
ny tena rehefa eny
fa misy iadanana.




Amin'ny krismasy
dia Kristy hatrany
no sarobidy amiko ;
jereo ka voahasy
ny mahazo ny tany
fa dera mamiko.




Amin'ny krismasy
dia sento mangina
no miseho vetivety
fa tsapa ho masy
iny ange matoa sina,
na dia andro fety.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1455 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112