AMIN'NY TARATASY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY TARATASY





Indro ampitaiko
amin'ny taratasy
fa ianao no ilaiko
amin'ny krismasy.




Maro ny zavatra
vimbinina ho ahy
fa ny any fatratra
no irin'ny fanahy.




Maro 'reo korana
sy hanim-pito loha
fa ianao re, mazàna,
no eritreritra tokoa.




Maro ireo fotoana
nizarana vatomamy
fa mba ianao foana
no irariko ho tamy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
818 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123