AN-KOSO-BOLAMENA (2) (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AN-KOSO-BOLAMENA




An-koso-bolamena
ny endri-piainana any
mamirapiratra jerena
fa tsy atokisako ihany.



An-koso-bolamena
ny fitia naderaderany
be vola aman-karena
tsy misy ny fitserany.



An-koso-bolamena
ny tsiky nahavariana
mody tsara fa nihena
rehefa tojo fahoriana.



An-koso-bolamena
ireo soa nabaribariny
hahitana famonjena
fa maro no tsy rariny.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
399 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121