ANANANY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANANANY




Vola no ananany
fa tsy fanahy
ka ny fiadanany,
mampanahy.



Vola no ananany
fa tsy saina
ka itony anarany
dia tsy ilaina.



Vola no ananany
fa tsy andry
ka tsy fivoarany,
na hiandry.



Vola no ananany
fa tsy vazo
ka dia tsy arany
ny mahazo.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0364