You are here: home > Vetso

ANATY FAHATADIDIANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





ANATY FAHATADIDIANA





Anaty fahatadidiana
dia misy alahelo lalina
nahay nampikoriana
tomany isaky ny alina.




Anaty fahatadidiana
dia misy sedra mipoitra
mitondra fanaviana
rehefa ambara tsotsotra.




Anaty fahatadidiana
dia misy ratra mivoaka
mbola fangirifiriana
tsy mba mety mitsoaka.




Anaty fahatadidiana
dia misy fery tsy maina
efa nahabe fihafiana
sy nampandrera-tsaina.




Fredy JAOFERA