ANATY FANGINANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANATY FANGINANA




Ny alahelo
anaty fanginana,
misy avelo
tsy te hiankinana.



Ratram-po
anaty fanginana,
vao manjo
dia hamaizinana.



Ny tomany
anaty fanginana,
maro ihany
no fahamarinana.



Ny vavaka
anaty fanginana,
mandravaka
ny fahamalinana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
404 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118