ANATY TONONKALO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANATY TONONKALO




Anaty tononkalo
no mivoaka ny hafatra
zary mampikalo,
mivoy ny ainga lafatra.



Anaty tononkalo
no misosa ny fitiavana
sarotra atakalo,
azo ambara ho mavana.



Anaty tononkalo
no mivoy ny ratram-po
tsy mba mandalo
ka misy foana fa tsy lo.



Anaty tononkalo
no milaza ny alahelo
mody mihalohalo
fa mifono kely avelo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
312 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113