You are here: home > Vetso

ANDOSIRO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





ANDOSIRO





Andosiro ireo nandratra
rehefa hikatsa-piadanana
dia indro hiasa sy hihatra
ny tigetra eo an-tanana.




Andosiro ireo nandoza
rehefa hila hasambarana
dia tsy hampivozavoza
ny efa kiry nisasarana.




Andosiro ireo nandrava
rehefa hitsinjo fitoniana
dia tonga eto hanazava
iny jiro kely nitokiana.




Andosiro ireo nandainga
rehefa hitady fandresena
dia hahay hamadi-bainga,
na rahoviana, vao jerena.





Fredy JAOFERA