You are here: home > Vetso

ANDRIAMANITRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


ANDRIAMANITRA




Andriamanitra irery
no mahita ny ato am-poko ;
ka tsy nahay namery
fony tojo izay toloko.



Andriamanitra ihany
no mahita ny ato an-tsaiko ;
ka atokisako avy hatrany
rehefa reraka ny aiko.



Andriamanitra Tsitoha
no mihazona ny fiainako ;
ka n'inona n'inona manjo,
mbola Izy no itarainako.



Andriamanitra tsy foy
no Mpitarika ny làlako ;
ka na tsisy izay fivoy,
mbola Izy no tsy halako.




                         Fredy JAOFERA

Sokajy : Fifaliana

Hametraka hevitra

Midira aloha