ANDRO LASA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO LASANy andro lasa,
fahatsiarovana
misasasasa
ka torovana.
Ny andro lasa,
fanaintainana
tsy nampiasa
'tony fiainana.
Ny andro lasa,
oram-baratra
tsy mpikasa
'zay mitaratra.
Ny andro lasa,
vonton-tsento
tsy fandrasa
sao hanento.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
