ANDRO TSOTRA IHANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO TSOTRA IHANY




Andro tsotra ihany
toy ny andro rehetra
no manery hankany
fa oriory sy mitsetra.



Andro tsotra ihany
tsy dia miavaka eto
fa feno sento izany
ny tontolo ka raketo.



Andro tsotra izany
maro asa sahanina
misy sioka ambany
vao mba valalanina.



Andro tsotra ihany
satry hivoy fitiavana
tsy misy manontany,
tsy ilana fandavana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
193 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012