ANJOMARA (Fredy Jaofera)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJOMARA




Toa feon’anjomara
avy any lavitra any
no reko ka niafara
ho tsiky sy vinany.




Nanaitra ny alina
fa ho avy ny maraina
hampiravoravo lalina
ny efa nandrandraina.




Namoha ny torimaso
fa ho avy ny fotoana
hialan’ny ranomaso
sy ny rediredy foana.




Naneno tsy nitsahatra
fa ho avy izay nirina
hamorina ny lahatra
ho zary fitahiana !





Fredy JAOFERA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/fredy-jaofera/anjomara
Sokajy : Fifaliana
854 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/01/2009 01:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 1.3154