ANJORIA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJORIA





Nomena anjoria
ny foko mahantra
ka tsy nanam-pitia,
na dia mba niantra.




Nahazo anjoria
ka aleo nisintaka
fa nanimba ny dia
sy tena namitaka.




Nizaka anjoria
ka ho mafy loatra
ny hanaja ho doria
fa dia tafahoatra !




Nafafy anjoria
ka tsara tsodrano 
ary mbola mifalia
fa manana trano.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1019 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0697