ANKIHIBE (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKIHIBE





Aleoko ho ankihibe
no safidy tiako indrindra
fa izay no mampandeha
ny lamina sy rindra.




Aleoko ho ankihibe
no rantsana hofantenana
fa dia taona maro ange,
azom-panenenana.




Aleoko ho ankihibe
no toerana hay tazonina
fa tsaroako foana re
ny eso noforonina.




Aleoko ho ankihibe
no metimety ny fanahy
fa adin-tsaina maro be
no nanahirana ahy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
644 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0143