ANTENAIKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTENAIKO





Na dia teo aza ny mafy nobabena :
'reo alahelo sy ny sisa sy ny sisa,
antenaiko fa hahazo fandresena
ny hetaheta nanonofy paradisa.




Na dia teo aza ireny fifandirana :
ny latsalatsa na ny fosafosa teny,
antenaiko fa hisy re hangirana
'reo nahamatroka ahy ombieny.




Na dia teo aza ny fahavoazana :
'reo ratra sy ny hanoanana azo,
antenaiko fa mbola hotoazana
'zay hampisinda an'itony tazo.




Na dia teo aza ny fandotoana :
'rony vingavinga tsy hita lany,
antenaiko fa mba handrosoana
ny fitahiana hahasoa ny akany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
940 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121