ANTOMOTRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTOMOTRA





Antomotra ny oram-piotazana
'reny voa maro nafafy
sy higoka izay fahombiazana
nirina mafy dia mafy !




Antomotra ny andro handresena
amin'izay lalan-kombana
sy hahazo irony soa sesehena
hitobaka foana, mazàna.




Antomotra ny hampiavaka ho azy
ireo voninkazo mangina
sy hamiratany ombieny amin'ny vazy
toy ny voninkazon'andriana.





Antomotra ny taom-pisarahana
amin'ireo izay nandavo
sy hisaotra fa ny zava- niarahana
zara raha nisy naharavo.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
1034 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 11/01/2008 20:14)
Tsara ilay tononkalo ! Mankasitraka hatrany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/01/2008 23:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156