ANTSO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSO






Antso an-tariby,
Antson'ny fitia,
miredareda lava,
afa-mampisava
ny alahelo anao
ao anatiko ao !



Antso an-tariby,
antson'ny doria
natao efa ela be,
fa tsy hoe ange
tia mandrebireby
fa mba nitebiteby.



Antso an-tariby,
antso misy avia,
antso te hihaona,
fa efa aman-taona
ny foko te hitafa
no toa hafahafa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1056 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 02/09/2014 01:06
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121