ANTSONJAY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSONJAY





Raha nisy fitiavana,
tsy nanao antsonjay
fa nitranga ny avana,
nahafoy ny « izahay ».




Raha nisy fitserana,
tsy nanao antsonjay
fa nalana ny herana
tsy hisy amin'izay.




Raha nisy fiontanana,
tsy nanao antsonjay
fa indro fihavanana
no tonga nivaivay.




Raha nisy fiahiana,
tsy nanao antsonjay
fa mainka nampiana
ho soa no voaray.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
833 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118