You are here: home > Vetso

ANY AMINAO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

ANY AMINAO




Any aminao
no alehan’ny saina
rehefa irery,
na efa lao
sy tsisy antenaina
izay verivery.




Any aminao
no nofinofy lava
rehefa mifaly,
na efa natao
izay hoe haharava
‘reny molaly.




Any aminao
no mbola eritreritra
rehefa mijafa,
na efa nandao
sy toa tsisy hevitra
ny hifampitafa.





Fredy JAOFERA



Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 02/01/2009
Mpamangy : 563
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO