ANY IZY IZAY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY IZY IZAY





Any izy izay
tsy re intsony
ka eto indray
mila iny fony.




Any izy izay
lavitra tokoa,
ny hifandray
no irina moa.




Any izy izay
mampanahy,
taloha izahay
niray fanahy.




Any izy izay
tsy hita maso
ka mangaihay,
tojo ranomaso.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
11 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/07/2026 07:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0283