You are here: home > Vetso

AO BETLEHEMA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


AO BETLEHEMA





Misaotra ny Avo
fa mifoha ny Mesia ;
ny Magy miravo
fa lehibe 'lay mba tia.




Misaotra ny tany
fa Tompo mpandresy
mendrika hatrany,
mahazo dera misesy.




Misaotra ny ora
fa Mpamonjy tiana
no tonga mora
ka maneho fitahiana...




Any Jerosalema,
misy hoby tanteraka
fa ao Betlehema,
Mpanjaka no teraka.




Fredy JAOFERA