AO NY MOZIKA (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO NY MOZIKA




Raha ranomaso no mandriaka
ka mianjera anaty fahakiviana
dia mbola ao ange ny mozika
hamoha haingana hafaliana.



Raha alahelo no inty masiaka
ka mahory ao amin'ny efitrano
dia mbola ao ange ny mozika
hanadino izany fa tsy angano.



Raha ratra no tsy mahasariaka
ka mijaly irery tsy hay ambara
dia mbola ao ange ny mozika
izay hanamaivana azy tsara.



Raha sedra no tsy afa-mipika
ka mamely tsy mampionona
dia mbola ao ange ny mozika
miandry anao rehefa vonona.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/06/2023 04:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164