AOKA AHO HITOMANY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA AHO HITOMANYAoka aho hitomany
hamoahana alahelo
tsy tantiko aok'izany
mampirotsa-delo !
Aoka aho hitomany
fa tsy maty ny ratra
nampahory hatrany
izay efa ela nihatra.
Aoka aho hitomany
fa rava daholo anio
irony tiana norarany
ho tsy ilaiko, tadidio.
Aoka aho hitomany
fa tsy mora lazaina
ny tohiny mandany
andro vao maraina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
