AOKA NY LASA HO LASA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA NY LASA HO LASA





Aoka ny lasa ho lasa
fa ny hanova no tiana
ho to ny efa voakasa
tao anaty mangina.




Aoka ny lasa ho lasa
fa efa be ny tomany
tadidy foana nanasa
'ty tarehiko hatrany.




Aoka ny lasa ho lasa
fa mpamoha alahelo
ka sao dia handrasa
hizarana azy ho telo.




Aoka ny lasa ho lasa
fa dia sedra tsy vitsy ;
aza avela mba hiasa
fa nofy ratsy mihitsy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1333 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0147