ARAKARAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARAKARAKA




Arakaraka ny anomezana
no tsy ahazoana valiny
fa mainka aza ihomezana
sy mandry ery ny aliny.




Arakaraka ny anampiana
no tsy ahitana sitrany
fa mainka ho fanahiana
hitady rehefa ritrany.




Arakaraka ny itiavana
no tsy misy fitokisany
fa esoeso tomandavana
no omeny sy tanisany.




Arakaraka ny anginana,
tsy ahazoana tombony
fa miaro fahamalinana
sao dia mba akombony.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1105 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126