You are here: home > Vetso

ARAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


ARAKO




Arako hatry ny ela
ny hevitry ny ozony,
fa saingy hoe navela
hahangeza ny vozony !



Arako tamin'ny jaly
ny hevitry ny fosany,
fa naleoko tsy namaly
raha ireny no natosany.



Hita tamin'ny latsa
ny hevitry ny tsarany,
fa tsy ampiampy patsa
dia nesoina tsisy farany.



Hita tamin'ny vava
ny hevitry ny sainy,
ka niantsoantso lava
fa tsy azo izay lalainy !






Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 07/09/2009
Mpamangy : 733
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

REHEFA ISIKA ROA
FIENTANAM-PO
AO AM-PO
NY ANY AMINAY
NY ANKEHITRINY
MORA MARATRA
KIBO MANINA
KIRY
SAIKA
HATSARAN-TAREHY