Ampidiro aloha ny tenimiafina
ASA ?... (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASA ?...Asa ny faniriako,
na ho nofy na ho tanteraka
fa ny tena nofidiko,
ho anao no mba nateraka ?
Asa ny hetaheta
raha hipoitra sy hitoetra
fa mampitetateta
sao dia hampipararetra ?
Asa ny vazo maro
raha hisavoana fotsiny
fa toa nanafangaro
hatramin'ny rotsirotsiny ?
Asa irony ako
raha hamaly lalandava
fa nahalalako
dobo-po ka miran-tava ?
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
