ASARAMANITRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASARAMANITRA




Enga anie ho taom-pamafazana
hamokaran'ny soa sy ny tsara ;
enga anie ho taom-pahombiazana
hotsaroana sy tena ho tantara.




Enga anie ho taom-panambinana
hahasambatra anao aok'izany ;
enga anie ho taom-pitsimbinana
hahatafita ombieny eto an-tany.




Enga anie ho taom-pahasoavana
hitobahan'izay faniriana rehetra ;
enga anie ho taona mba goavana
ho lavitry ny sento sy tsetra.




Enga anie ho taom-pifaliana
hampiadana sy hampiavaka ;
enga anie ho taom-pirariana
hahitana ny saotra sy vavaka.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1260 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115