AVOAHAY NY MARINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVOAHAY NY MARINA





Avoahay ny Marina
ka aoka tsy afenina
fa izao tsy hanarina
ny tokony harenina.




Avoahay ny Marina
ka aza mangalatra
fa mainka hivarina
ny lalana hitaratra.




Avoahay ny Marina
ka aoka tsy ovaina
fa raha amboarina
tsy eken'ito saina.




Avoahay ny Marina,
aoka tsy hiandany ;
ny tiana no anarina
hampiravo ny tany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
694 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119