AVY NY ORANA (2) (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVY NY ORANAAvy ny orana,
kotsa ny tany,
efa ifotorana
itony vinany.
Avy ny orana,
biby tsy hita
fa ny izorana,
be miampita.
Avy ny orana,
mitohy ny dia
ka anolorana
tsiky ho doria.
Avy ny orana,
moana ny ora,
tsy nofatorana
ny vazo tanora.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Ahy - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
