AZA AILIKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AILIKA





Aza ailika amin'ny hafa
'reo andraikitra tsy vita
fa manaratsy be ny tafa
sy tsy mba mahatafita.




Aza ailika amin'ny hafa
'reo lahasa tsy tanteraka
fa eritreritra hampijafa
tsy hisy rindra hiteraka.




Aza ailika amin'ny hafa
ny fihemoram-pirenena
fa vetivety dia hamafa
ny tigetra nokendrena.




Aza ailika amin'ny hafa
ny jaly mihoa-pampana
rehefa indro tia manafa
fa tsy mahay mitantana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
634 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123