You are here: home > Vetso

AZA AVELA NY LASA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




AZA AVELA NY LASA





Aza avela ny lasa
hipody eto indray
fa ny zava-kinasa,
ho hita amin'izay.




Aza avela ny lasa
hanelingelina ery
fa ho tonga hiasa
ny saotra sy dihy.




Aza avela ny lasa
hamoaka tomany
fa izay hisasasasa,
feo kanto hatrany.




Aza avela ny lasa
hampisento anao
ka dia miandrasa
fa hiova ao ho ao.




Fredy JAOFERA


Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 02/08/2021
Mpamangy : 192
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

FIALOFANA
NIZAKA
TONGA ALOHA
VERY ANDRO
IRAY ANDRO ANY
MANAN-KASINA NY MATY
TSY TIAKO
TRATRA AORIANA
NANDALO
NY MOZIKA