You are here: home > Vetso

AZA MAIKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



AZA MAIKA





Aza maika handoro
'reo taratasintsika
no hevitra azo atoro
rehefa tsy sariaka.




Aza maika hanimba
ny dina sarobidy
fa tsy ho voazimba,
na inona no didy.




Aza maika handaka
ny fitia nomena
fa mbola lalim-paka
izay efa nekena.




Aza maika handavo
ny fenitra rehetra
fa mbola nampiravo
ahy raha mitoetra.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha