AZA MAMPAHATSIAHY (Fredy Jaofera)

Lu par jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MAMPAHATSIAHY





Aza mampahatsiahy
'reo oran-dranomaso
fa mahory ny fanahy
sy mamoha ankaso.




Aza mampahatsiahy
ny sedra nanahirana
fa manamaloka ahy
rehefa te ho mirana.




Aza mampahatsiahy
ny ratra tsy ninoana
fa zary mampanahy
vao misy haravoana.




Aza mampahatsiahy
ny alahelo nanadala
fa mamely tsy nahy
ny ngidy izay niala.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
644 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0188