AZA MITSIPA-DOHA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MITSIPA-DOHA




Nahoana kosa, ho'aho, no mitsipa-doha anay
raha nisy soa ihany no efa maro be voaray ?
Nahoana kosa re no manjary tsy mahalala,
na dia arahabaina, ry nisintaka sy niala ?




Nahoana kosa, ho'aho, no mitsipa-doha anay
raha nisy mety ihany no hita hatramin'izay ?
Nahoana kosa fa tsy mampino hatramin'izao
raha ny efa olon-tiana no niova tao ho ao ?




Nahoana kosa, ho'aho, no mitsipa-doha anay
raha nisy tsara ihany no nomena fa tsy hay ?
Nahoana kosa ange fa angamba fanavaozana
no mirakitra ny anarana, na efa nilaozana ?




Nahoana kosa, ho'aho, no mitsipa-doha anay
raha nisy haja ihany no nandrakotra ny lay ?
Nahoana kosa re no dia lasa tsy nisaotra,
nilonjilonjy ery sy tsy haihaiko loatra ?



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/08/2016 16:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0554