AZA TIAVINA AHO FA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA TIAVINA AHO FA…





Aza tiavina aho fa aoka re ny foko
hitepo ilay fitia tsy nety niova loko
sy hivazo foana ny antsam-pifaliana,
sarotra hadinoina, eny, na rahoviana.



Aza tiavina aho fa aoka re ny saiko
handeha any ihany no visavisaiko
higoka indray ireny fahatsiarovana
mamy ela be fa tsy nahatorovana.



Aza tiavina aho fa aoka re ny andro
hahay hampiposaka ny tara-masoandro
afaka hanazava ny diavina eto an-tany
fa tsy ho rediredy hahalasa ny vinany.



Aza tiavina aho fa aoka re ny voadintsika
hohajaina tsisy farany mba tsy hiova bika,
hokajina lalandava ho zary vato fehizoro
azo antoko tokoa sy mbola mahay mijoro.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
1506 1
Fans: dangytsmaty
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114