You are here: home > Vetso

AZO IFANARAHANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


AZO IFANARAHANA





Azo ifanarahana
ny zavatra rehetra
rehefa tia tokoa :
lavi-panebahana,
hay asiana fetra
ny adiady aloha.




Azo ifanarahana
ny disadisa maro
rehefa te hitafa
fa tsy fisarahana
ka manafangaro
hevitra hafahafa.




Azo ifanarahana
'zay tigetrantsika
rehefa ifanekena ;
misy fivavahana
tsy hita masiaka,
feno fahendrena.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha