BARAINGO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BARAINGO





Baraingo ny hivoarana
raha izao ny tanintsika
fa tsy misy fitsaharana
ny fijafiana raha adika.




Baraingo ny hirosoana
raha tsy misy ala olana
isan'andro hamonoana
ny ratsy raha mivolana.




Baraingo ny hiadanana
raha mifamingan-dava
sy izay no fitantanana
ilainy handravarava !




Baraingo ny hivelarana
raha tsy miova ny izao
hivoy eto hasambarana
efa nisinda sy nandao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
824 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122