BE (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BE







Be ny alahelo
tsy voavoaka
fa ao am-po,
efa in-telo
no nitsoaka
sy namoha...




Be ny ranomaso
tsy hitanao
niraradraraka,
efa an-kaso
sy toa natao
hanarakaraka.




Be ny ady mafy
tsy mihary
fa mangina,
nampihafy
sy nanjary
fanaviana.







Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Alahelo
955 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 19/04/2009 23:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159