BETSIMIHILANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BETSIMIHILANAB Betsaka ny ainga matetika
E Ezahina ny mbola hitetika
T Tantaran'ny fahatsiarovana
S Sahaza etoana ka arovana,
I Ilaina hamohazana indray
M Malady ny fotoana nahay
I Im-polo nitondra hafaliana,
H Hasambarana mahavariana
I Indrindra rehefa mahatsiaro
L Lanitra manga re ka fantaro.
A Ahiratro ny lasa ankehitriny,
N Na any aza moa sisa izy iny...
A Ataoko hirahira mitady anao.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
ahy - Fisarahana - Fahatsiarovana - fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy